<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Doane</author>
<title>Tsarovy, ry sakaiza FFPM757</title>
<lyrics>[V1]
 Tsarovy, ry sakaiza,
 Ny RAY an-danitra e,
 Fa Izy no nitaiza
 Sy nahalehibe ;
 Fa raha mbola zaza
 Nampitomboiny,
 Ka na ho antitra aza,
 Tsy mba hafoiny.
 Ny saina sy safidy
 Nomeny ho anao,
 Ka tiany hifidy
 Ny tsara hianao

[V2]
 Tsarovy, ry tanora,
 JESOSY, avotrao,
 Mahay mitondra mora,
 Mitandrina anao.
 Miaraka mibata
 Ny fahorina,
 Ka dia mahareta
 Ny hatrotrahana,
 Fa Izy no miaro
 Izay mpianany
 Ka dia mba fantaro
 Ny fitiavany !

[V3]
 Tsarovy ry zatovo,
 Ny MPANAMASINA
 Fa Izy no manovo
 Ny rano velona,
 Ka dia mba mampandro
 Ny ta-hadio fo.
 Lazaina isan-andro
 Ny marina sy to,
 Ka ny masirasira
 Esoriny aminao,
 Izay maniratsira
 No halavironao.

[V4]
 Tohero, ry zatovo,
 Izay mamitaka,
 Satana ta hamono
 Ny tsy miambina
 Ny nofo mitsikilo
 Ny voninahitrao ;
 Mamono ny fanilo
 Izao tontlo izao
 Ka raisony ampinga
 Alao ny sabatra,
 Izany mahakinga
 Ny te ho sambatra.</lyrics>
<hymn_number>757</hymn_number>
</song>